Vaovaom-Piangonana Alahady 29 janoary 2012
1. Amin'ny alahady izao 5 febroary no hanaovana ny "Assemblée Générale" hankatoavana ny zavatra vita tamin'ny taona 2011 sy ny  tetik'asa amin' ity taona 2012 ity. Manasa antsika mpandray fanasan'ny Tompo rehetra hanatrika izany.
 
 
2. Fanavaozana ny Diakona hiasa mandritra ny roa taona manaraka 2012 sy 2013 : alahady 12 febroary aorian'ny fanompoam-pivavahana. Misokatra ho an'ny Mpandray ny Fanasan'ny Tompo voasoratra anarana nandritra ny taona 2011 ny fifidianana. Iangaviana ny tsirairay hanamarina ny fisoratany anarana any amin'ny tompon'andraikitra. Daty fara-firotsahana ho fidiana : alahady 5 febroary.
 
3. Jobily faha-30 taonan'ny Tafo
  • Efa mijoro ankehitriny ny Komity misahana izany
  • Teny Faneva : misaotra an'Andriamanitra isika fa voafidy ny Teny ho entintsika manamarika izany faha-30 taona izany, dia ny hoe :

"Aoka hazava eo imason'ny olona ny fahazavanareo" Matio 5.16a

 Fisaorana no atolotra ireo rehetra nandray anjara tamin'izany.
  • Logo sy hira faneva : misokatra ho an'ny rehetra ny fifaninana ho amin'izany izay miompana indrindra amin'ny Teny Faneva voafidy etsy ambony. Tapaka fa mandritra ny fivoriambe 5 febroary no hifidianantsika ny logo sy ny hira faneva koa ferana ny sabotsy 4 febroary ny fara-fandefasana ny logo sy hira faneva any amin'ny tompon'andraikitra.
4. Fivoriana :
  • Assemblé générale STK : sabotsy 4 febroary
  • Fivorian'ny komitin'ny Tafo amin'ny sabotsy 4 febroary amin'ny 4 ora eto am-piangonana.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra.

Dernière mise à jour : ( 29-01-2012 )
 
Perikopa FPMA 2012
Tsindrio eto
Dernière mise à jour : ( 04-01-2012 )
 
Teny vakiana isan'andro 2012
Tsindrio eto
Dernière mise à jour : ( 03-01-2012 )
 
Fampianarana - Fandalinam-pinoana

1. Ho fanasitranana izao tontolo izao - Dr Péri RASOLONDRAIBE
2. Fiangonana velona sy mandroso hatrany - Pastera Synôdaly Jean RAVALITERA
3. Lasim-piangonana - Exoudun 2007 - Past. Seth RASOLONDRAIBE  

4. Pour une éthique des oeuvres dans l'Eglise - Pastera Synôdaly Jean RAVALITERA

5. "Mamôna tsy marina?" - Pastera Synôdaly Jean RAVALITERA

6. Ny fahamatorana ara-panahy - Past Seth RASOLONDRAIBE

 

Dernière mise à jour : ( 17-08-2011 )
 

Vaovao Tselatra

Finoana sy Vavaka

Foi et Prières

Ny fotoana atao handalinana ny Soratra Masina dia ho tanterahina isaky ny Sabotsy mialohan'ny Alahady fahatelo, manomboka amin'ny 3 ora.

Misy fifampitondrana am-bavaka sy fampaherezana izay mila amin'izany fotoana izany.

Ny rehetra no asaina hanatrika izany fotoana izany.

Ny toerana ivoriana dia ao amin'ny:

ERF 5, rue des Ecossais 86000 Poitiers

 
Copyright 2012 FPMA Poitiers.